Romans 7

1Sa tsy fantarareo, ry rahalahy (satria miresaka amin’ny olona mahay ny momba ny lalàna aho), fa ny lalàna dia mibaiko ny olona iray raha mbola velona koa izy?

2Fa ny vehivavy izay manambady dia voafatotry ny lalàna amin’ny vadiny raha mbola velona izy, fa raha maty ilay vadiny, dia afaka amin’ny lalàn’ny fanambadiana izy. 3Noho izany, raha mbola velona ny vadiny, raha toa ka miray amina lehilahy hafa izy, dia ho antsoina hoe mpijangajanga izy. Fa raha maty ilay vadiny, dia afaka amin’ny lalàna izy, ka tsy mpijangajanga izy raha toa ka miray amina lehilahy hafa.

4Noho izany, ry rahalahiko, dia natao maty tamin’ny lalàna ihany koa ianareo tamin’ny alalan’ny tenan’i Kristy. Natao izany mba hikambananareo amin’ny hafa, izany hoe, amin’Izy izay natsangana tamin’ny maty, mba hafahantsika mamokatra voa ho an’Andriamanitra. 5Fa tamintsika tao amin’ny nofo, ireo filàn’ny fahotana, izay nohetsehin’ny lalàna, dia niasa tao amin’ireo ratsantsika mba hamokatra voa ho an’ny fahafatesana.

6Fa ankehitriny dia nafahana tamin’ny lalàna isika. Maty tamin’ilay namatotra antsika isika. Izany dia mba hafahantsika manompo amin’ny havaozam-panahy, fa tsy amin’ny fahanteran’ny soratra.

7Inona ary no ho lazaintsika? Ny lalàna mihintsy ve no fahotana? Tsy hisy mihitsy anie izany. Kanefa, tsy ho nahalala ny fahotana mihitsy aho, raha tsy tamin’ny alalan’ny lalàna izany. Fa tsy ho nahalala ny fitsiriritana aho raha tsy niteny ny lalàna hoe: “Aza mitsiriritra.” 8Fa naka vahana tamin’ny didy ny fahotana ka nahatonga ny fitsiriritana rehetra ato amiko. Fa raha tsy misy ny lalàna, dia maty ny ota.

9Fahiny aho dia velona tsy nisy ny lalàna, fa rehefa tonga ny didy, dia velona indray ny ota, ka maty aho. 10Ny didy izay tokony hitondra fiainana no nivadika ho fahafatesana ho ahy.

11Fa ny fahotana dia naka vahana tamin’ny alalan’ny didy ka namitaka ahy. Tamin’ny alalan’ny didy no namonony ahy. 12Noho izany ny lalàna dia masina, ary ny didy dia masina, marina, ary tsara.

13Koa moa ve nivadika fahafatesana ho ahy izay tsara? Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa ny ota, mba hafahany hiseho ho fahotana amin’ny alalan’izay tsara, dia nitondra fahafatesana tao amiko. Izany dia mba ho amin’ny alalan’ny didy, ny fahotana dia mety ho tonga tena fahotana tokoa. 14Fa fantatsika fa ara-panahy ny lalàna, fa izaho avy amin’ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin’ny fanandevozan’ny ota aho.

15Fa ny zavatra ataoko, dia tsy tena azoko tsara. Satria izay tiako atao, dia tsy ataoko, ary izay halako, dia ataoko. 16Fa raha manao izay tsy tiako aho, dia miray hevitra amin’ny lalàna fa tsara ny lalàna.

17Fa ankehitriny dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay velona ato anatiko. 18Fa fantatro fa ato amiko, izay ato amin’ny nofoko, dia tsy misy zavatra tsara miaina. Fa ny faniriana ny tsara dia ato amiko, saingy tsy afa-manao izany aho.

19Fa ny tsara izay tiako dia tsy ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako, no ataoko. 20Ary raha manao izay tsy tiako atao aho, dia tsy izaho intsony no miasa izany, fa kosa ny fahotana izay miaina ato amiko. 21Ary, izaho dia nahita, ny fitsipika ato amiko fa te hanao izay tsara aho, saingy ny ratsy no ato amiko izao.

22Fa miravoravo ao amin’ny lalàn’Andriamanitra aho amin’ny fanahy maha olona. 23Kanefa mahita fitsipika iray hafa ao amin’ny momba ny tenako aho. Izany dia miady amin’izany fitsipika vaovao ao an-tsaiko izany. Mihazona ahy ho babon’ny fitsipiky ny fahotana izay ao amin’ny momba ny tenako izany.

24Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity tenan’ny fahafatesana ity? Fa isaorana Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Noho izany, izaho tenako dia manompo ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saiko. Na dia izany aza, dia manompo ny fitsipikin’ny fahotana amin’ny nofo aho.

25

Copyright information for PltULB